Entrée | 1 Vetson' ny manina |
Mots élémentaires | 2 vetso, 3 manina |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Rakotomalala-Rabarijaona Louis |
Texte complet |
7 Eritreritra miampita no manainga ny vinany 8 Mba hanembona mazàna'lay akany nisehoana, 9 Ka ny foko manina azy dia misentosento foana, 10 Saingy tsy afaka manoatra noho ny elanelan-tany. 11 Eritreritra miampita no manintona ny foko 12 Ho eo an-dapan-drotsirotsy fitobian'ny hava-maro; 13 Dia mandefa vetsovetso'zany saina mahatsiaro, 14 Lavitra azy ka voarakotry ny sento sy toloko. 15 Eritreritra miampita ho ao an-tanin-dray sy reny 16 No manetsika ny saiko mba hisidina mankany, 17 Ka ny sorisory lava'zay namelona tomany 18 Toa hisolo fifaliana hoy ny nofinofiko eny. 19 Eritreritra miampita no miserana mandalo 20 Toy ny rivotra mahery'zay misafo ny tanety, 21 Ka tsy hay arahi-maso fa mimaona vetivety 22 Mba hamangy'lay akany'zay tsy foiko hatakalo. 23 Eritreritra miampita'zay tsy sitram-panafody 24 No mibitsika mangina sy tsy levona ao an-tsaiko, 25 Ka na zovy hampitony dia tsy mety miandry baiko 26 'Zany vetsom-poko'zany f'efa mamy'zao ny mody. 27 Eritreritra miampita toa hamafa ranomaso 28 No manafotra hatrany'zany foko tsy tamana, 29 Te-hahita'lay akanin-dray sy reny fihantana, 30 Fa voairaky ny vintana sy zara be ankaso. 31 Eritreritra miampita ho any ambadiky ny bonga 32 No mamaky habakabaka ao an'efitra mangina; 33 Nofy ihany nefa izany ka ho foana sy ho sina, 34 Na dia velom-paniriana sy mirary ny ho tonga. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |